OTIV Boeny: Hidina an-dalambe ireo mpikambana very vola

  • mardi, 10 juillet 2018 19:50
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Ny zoma 13 jolay izao, hitokona manoloana ny Lapan'ny Tanàna sy ny Prefektiora, hilanja sorabeventy, hampaneno vilany sy sarom-bilany ireo mpikambana tao amin'ny OTIV Boeny tompon'ny vola nanjavona tsy hita hoe lasa aiza. Izay no tapak'izy ireo nandritra ny fivoriana notontosaina teny amin'ny birao fiasan'ny tambazotra miaro ny zon'ny mpanjifa ny maraina teo.

Ampy izay ny roa taona niandrasana sy nandrirariran'ny fanjakana amin'ny famahana ny olan'izy ireo raha ny nambaran'ny solontena nitondra teny. Na Ariary aza tsy nisy tafaverina ny volan'ireo mpikambana nametraka vola tao amin'ity orinasa madinika fitehirizana sy findramam-bola ity.

Tany am-boalohany dia ireo mpindram-bola tsy nahavoaloa trosa no nanilihana ny olana saingy mahatsapa ny rehetra fa tsy mitombona izany fa tena nisy nanodinkodina ny vola an-tapitrisany.

Io fidinana an-dalambe amin'ny zoma ho avy izao io no heverin'ireto mpikambana ireto fa hohainoan'izay tompon'andraikitra voakasika ny olan'izy ireo.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.