Vontovorona: Mitohy ny grevin'ny mpianatra, mihatrana ny Emmoreg

  • mardi, 10 juillet 2018 09:17
  • Tigre
  • Sary nomena

Nanomboka omaly alatsinaina 09 jolay no nitokona ireo mpianatry ny Politekinika Vontovorona, mitaky ny fahafahan'ireo mpianatra hanao mémoire rehefa vita ny fianarana.

Nisy ny sakoroka omaly hariva, noravan'ny Emmoreg tamin'ny grenady lakrimozenina ireto mpianatra nivoaka an'arabe ireto, nisy ny naratra sy sempotra tamin'izany.

Izao maraina izao anefa dia nitohy ny grevin'ireto mpianatra. Manisy barazy izy ireo eo amin'ny vavahadin'ny sekoly sy eo akaikin'ny labatoara.

Efa mihatrana koa anefa ireo Emmoreg maro. Mbola tsy misy hatreto ny sakoroka fa ny kesika misy grenady no efa avoaka ny fiara 4x4.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.