Fetim-pirenena: 2730 ireo hanao matso etsy Mahamasina

  • dimanche, 24 juin 2018 18:02
  • Britto

Nisy famerenana faobe farany notanterahina teo Mahamasina androany, ho an’ireo handray anjara amin’ny matso hanamarihana ny fetim-pirenena sy ny tsingerintaona faha-58 ny Foloalindahy. 2730 eo izy ireo, avy amin’ny Tafika (1778), Zandarimariam-pirenena (579), mpamonjy voina (37), mpiandry fonja (290) ary koa mpiasan’ny rano sy ala (46).

Hitarika ny fibaikoana fandrindrana ny matso eo Mahamasina ny 26 jona 2018 ny Jeneraly Ramasitera avy amin’ny Tafika anabakabaka.

Niatrika ny famerenana farany teo amin'ny kianjabe Mahamasina ny minisitry ny fiarovam-pirenena, Jeneraly Rasolofonirina Béni Xavier sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, Jeneraly Randriamanarina Jean Christophe.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.