Befandriana Avaratra: Ataon’ny olona andrimaso sao votsotra avy any am-ponja ilay Ben’ny Tanàna

  • samedi, 23 juin 2018 13:27
  • Zakaria
  • Sary nomena

Mamory olona manoloana ny Lapan'ny Tanàna ireo mpanohitra ny fitondrana Rajaonarimampianina sy ny depiote voafidy tato amin’ny Distrika, manazava ny antony nampidirana am-ponja ao Mandritsara ny Ben’ny Tanàna HVM.

Fahatrarana lavanila maitso tao an-tranony nandritra ny fisavana tampoka nataon’ny Zandary, nefa tsy mbola misokatra ny taom-piotazana no nanenjehana azy. Lavanila izay tra-tehaka eny amin’ny sakana apetraky ny Kaominina no gejainy, avy eo amidiny an-tsokosoko ka nisy nitoroka tany amin’ny Zandary dia izy tra-tehaka izao, ary nidoboka am-ponja miaraka amina olona roa hafa.

Tafiditra amin’ny fanomanana ny fitsenana an'i Andry Rajoelina sy ny senatera MAPAR Lilyson amin’ny fahatongavan’izy ireo eto Befandriana Avaratra amin’ny 27 jona izao koa ity famorian’olona ity. Mafana fo amin’izao fanentanana izao ny filohan’ny Mpanolotsaina ato anatin’ny Distrikan’i Befandriana Avaratra.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.