Tsarasaotra-Ivato: Ho afaka hampiasaina afaka telo volana ny lalana

  • jeudi, 21 juin 2018 21:37
  • Britto
  • Sary Net

Nenjehina novitaina, hampiasaina tamin’ny fampiantranoan’i Madagasikara ny fihaonambe faha-16 ny Frankôfônia ny taona 2016, ny lalana mampitohy an’i Tsarasaotra-Ivato, izay mirefy 11 km eo, ary ny orinasa sinoa, China Harbour Engineering Company Ltd (CHEC) no nanatanteraka azy.

Ny talata 29 novambra, io taona 2016 io ihany dia nikatona tsy azo nampiasaina ny lalana, ary nampanantenaina fa hisokatra ho an'ny besinimaro ny oktobra 2017 saingy indrisy fa simba ampitoerana teo.

Nilaza ankehitriny ny minisitra vaovao, misahana ny Asa Vaventy sy ny Fotodrafitr'asa Andriantiana Jacques Ulrich fa dia amboarina io lalana io ankehitriny, ho azo ampiasaina afaka telo volana any. 184 miliara Ariary no hoenti-manana amin’izany, nisy findramam-bola avy amin’ny banky sinoa Exim Bank, izay haroso hakana fankatoavan’ny Parlemanta.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.