Horace Gatien: “Tsy hisy fihemorana ny fanadinam-panjakana”

  • jeudi, 21 juin 2018 20:59
  • Britto

Nanamafy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Horace Gatien fa “tsy hisy fihemorana ny fanadinam-panjakana”. Manoloana ny fitakian’ireo mpampianatra manao fitokonana saika manerana ny Nosy dia nanambara ny minisitra fa hatolotra ny zoma 22 jona ny tondrozotra hamahana ny krizy eo anivon’ity ministera tantaniny ity.

Nitsotra ny minisitra fa “sarotra” ny hanome in-dray mandeha ireo fitakiana efatra lehibe, saingy “mitohy ny fifampiresahana” hoy izy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.