Oniversiten'i Mahajanga: Mitokona indray ny mpianatra

  • mercredi, 20 juin 2018 11:43
  • Britto

Tapitra ny 48 ora nomen'ireo mpianatra ny mpitantana ny oniversiten'i Mahajanga taorian'ny fanambarana nataon'izy ireo tamin'ny haino aman-jery ny alatsinainy teo. Voasakana ny lalàna miditra ny campus izao maraina, tsy avelan'izy ireo ivezivezena.

Takian'ireto mpianatra ireto ny hamerenana ny fitantanana ny trano amin'ny fikambanana ara-pihaviana efa nijoro hatrizay, izay tsy neken'ny mpitantana ao amin'ny oniversité intsony ny hitantanan'izy ireo ny trano.

"Tsy marina ny fanambaran'ny filohan'ny oniversite, ny faran'ny herinandro teo fa tafiditra amin'ny trano avokoa ireo 1023 nanao fangatahana", io no nambaran'ny mpitondratenin'izy ireo. Maro tamin'ireo mpianatra nameno sy nanatitra taratasy fangatahana no tsy tafiditra anaty lisitra navoaka.

Tsy ankasitrahan'ireo mpianatra ihany koa ny valin'ny CODIS navoakan'ny filankevitra izay efa nisy fanalefahan-tsazy araka ny nangatahan'izy ireo.

Mifampiandry kendry tohana eny Ambondrona indray araka izany ny mpitandro ny filaminana sy ny mpianatra.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.