Tambazotra herinaratra Volobe – Toamasina: Tariby mirefy 120m nisy nangalatra

  • lundi, 18 juin 2018 21:39
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Toamasina

Tapaka nandritra ny ora iray ny herinaratra teto Toamasina ny alin’ny alahady 17 jona noho ny halatra tariby mpitondra herinaratra matanjaka 35.000V mampitambatra an’i Volobe Toamasina II sy Betainaomby Toamasina I.

Teo ampanarahana ny lalaon’i Brésil sy Suisse amin’ny Mondial atao any Rosia indrindra no tapaka ny jiro ka nampimenomenona ireo mpitia baolina kitra.

Tariby mirefy 120 m eo no very ary tombanana fa olona mahay tsara ny resaka herinaratra ary mety efa mpiasan’ny Jirama taloha ireo mpangalatra.

Efa voasolo ny tariby very, ary efa niverina amin'ny laoniny ny famatsiana herinaratra eto Toamasina amin'izao.

Ilay varahina amin’ilay tariby no voalaza fa tena tadiavin’ireo mpangalatra, ary amidin’izy ireo amin’ny mpividy 3.000 Ariary ny kilao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.