Antsirabe: Iray volana izao no tsy ny nianatra ny Lisea Teknika

  • lundi, 18 juin 2018 19:43
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Nanamafy ny fitokonany sy fitakiana ireo tombontsoa iraisana amin’ireo namany manerana an’i Madagasikara ireo mpiasa sy mpampianatry ny lisea teknika Antsirabe tamin’ity alatsinainy 18 Jona 2018 ity.

Takian’ireo mpiasa ihany koa ny hanoloana amin’ny toerany ny Talem-paritry ny fampianarana teknika eto Vakinankaratra, noho ity tompon’andraikitra ity ambaran’ireo mpitokona fa manana olana matetika tamin’ny mpampianatra manerana an’i Vakinankaratra hatrany na tamin’ny fampidirana mpiasa izany na ny fandoavana ny tambinkaraman’ireo mpiasa ECD.

Namafisin’ireto mpampianatra mitokona eto Antsirabe fa vonona hihaona amin’ny Minisitra mivantana izy ireo mba hametrahana ny marimaritra iraisana mialoha ny hiverenan’izy ireo miasa.

Efa ho iray volana izao no tsy ny nianatra ny Lisea Teknika Antsirabe.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.