Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana: Hanao fanambarana mandritra ny fananganan-tsaina ny Sendikan’ny mpiasa

  • dimanche, 17 juin 2018 19:44
  • Britto

Tapitra ny 48 ora, nanomboka tamin’ny alakamisy 14 jona 2018, nomen’ny Sendikan’ny mpiasan’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny Minisitra Randriarimanana Harison Edmond hanesorana amin’ny toerany ny Tale jeneraly sy ny Sekretera jeneraly ao amin’ity ministera ity.

Hisy ny fanapahan-kevitra horaisin’ny sendika, izay vao niforona tao anatin’izao krizy diavin’ny firenena izao, ary hampahafantariny mandritra ny fananganan-tsaina ny alatsinainy 18 jona 2018 amin’ny 8ora sy sasany maraina etsy Anosy-Antananarivo izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.