Ambato Boeny: Olona dimy naratra voatifitry ny dahalo

  • samedi, 16 juin 2018 17:47
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Mitondra faisana ny mponina ao amin'ny Distrikan'Ambato Boeny amin'ny afitsok'ireo dahalo. Olona dimy no naratra mafy voatifitra nandritra ny fanafihana nataona dahalo am-polony tao amin'ny tanàna antsoina hoe Mangaroa, 23 km miala an'Ambato Boeny.

Tonga manaraka fitsaboana eny amin'ny hopitalibe Androva Mahajanga ny iray amin'izy ireo, izay tena voa mafy voatifitra teo amin'ny tongony havia.

Miraviravy tanana, very fanahy mbola velona ireo tantsaha eny ambanivohitra amin'ny asan-dahalo. Ankoatra ny fananana dia very lasan'ny dahalo, tsy mamela mahazo ihany koa izy ireo amin'ny fandatsahan'aina.

 

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.