Bekopaka: Fiara telo mitondra mpizahatany nisy nanafika

  • mercredi, 13 juin 2018 18:14
  • Britto

Androany alarobia tolakandro tamin’ny 4ora, no nisehoan’ny fanafihana tao Ankatrakatraka, 20km miala an'i Bekopaka (Antsalova) amin’ny fizarantany mampisaraka amin’Andimaka. Fiara telo mitondra vazaha mpizahatany no notafihin’ny dahalo.

Ratsy ny lalana amin’io faritra io, ka mandeha mora ny fiara. Eo no manararaotra ireo dahalo, nivoaka tampoka avy any anaty kirihitra, manakana sady manambana basy ny mpamily ; ny hafa mandroba ny entana sy fananan’ireo mpizahatany.

Tsy nisy aina nafoy fa fitaintainana no betsaka. Eo ampanarahan-dia ireo olon-dratsy ny Zandary amin’izao fotoana izao.

Marihina fa vao telo andro lasa izay no nisy fiara dimy hafa nitondra mpizahatany ihany koa voaroba tao Ambalasatra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.