Antsiranana: Tsy eken’ireo mpanabe i Horace Gatien

  • mercredi, 13 juin 2018 15:02
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Antsiranana

Mitohy ny tolon’ny mpanabe eto Antsiranana ary hihamafy hatrany izany raha ny nambaran’izy ireo tamin’ny fivoriambe androany maraina. Tsy ekena hoy izy ireo ny idiran'Atoa Horace Gatien amin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Tsy mijanona raha tsy tanteraka ny fitakiana, hoy izy ireo.

Miala i Hery Rajaonarimampianina hoy ireo mpanabe fa izy no fototry ny olana eto Madagasikara. Mitohy isa-maraina eny amin’ny biraom-paritry ny fanabeazam-pirenena DIANA ny fivoriam-ben’ny mpanabe, handrindrana ny fitakiana ataon’izy ireo.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.