Sambava: Fitsidihana voalohany ataon’ny PM Ntsay Christian

  • mardi, 12 juin 2018 09:23
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Sambava

Nigadona teto Sambava androany tamin’ny 8 ora maraina teo ny praiminisitra Ntsay Christian. Fitsidihana voalohany ataony ivelan’Antananarivo, taorian’ny nahaterahan’ny Governemanta vaovao ity.

Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena amin’ny ady fampiasana zaza tsy ampy taona izao fitsidihana izao araka ny nambarany teo ampahatongavana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ambodisatrana.

Mitarika adihevitra mikasika ny Ady amin’ny fampiasana ankizy tsy ampy taona izay tanterahina ao amin’ny Resto Capricorne izy amin’izao fotoana izao.

(Jereo Sary Tohiny)

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.