CEG Benoit Bevava Maevatanana: Manao « service minimum » ny mpampianatra

  • dimanche, 10 juin 2018 16:04
  • Britto

Taorian’ny fihaonan’ireo mpanabe mitokona, mitaky ny hanesorana amin’ny toerany ny Talen’ny CEG Benoit Bevava sy ny Chef CISCO, araka ny fampiantsoana hifampidinika nataon’ity farany ny zoma 8 jona 2018, dia tapaka fa « service minimum » ho an'ny « classe de 3ème » ireo mpanabe, izany hoe : miditra amin’ny 6ora maraina ka hatramin’ny 9ora hiatombohan'ny tolona.

Nametraka fepetra ny mpampianatra fa raha toa ka esorina ny Talen’ny CEG dia hiverina hiasa ry zareo mpampianatry ny CEG fa ny grevy sendikaly kosa mitohy hatrany, hiarahana amin’ireo SEMPAMA.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.