CEG Benoit Bevava Maevatanana: Mitaky ny hanesorana ny Tale ny mpampianatra

  • vendredi, 08 juin 2018 14:22
  • Britto
  • Sary nomena

Mitokona ireo mpampianatra, mikatso ny fampianarana ao amin’ny CEG Benoit Bevava eto Maevatanana. Tondron’ireo mpitokona ho olon'ny HVM sy napetraka tamin’ny resaka politika ny Tale, ka takian’izy ireo ny hanesorana azy.

Voalaza fa efa nisy fanapahana noraisin’ireo ambaratongam-pifehezana ny fampianarana aty Betsiboka amin’ny hanala an'io Tale io mba hiverenan'ireo mpampianatra hiasa saingy misy solontenam-panjakana miaro azy.

Mikatso noho izany ny toe-draharaha, samy miziriziry ny andaniny sy ny ankilany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.