Tanambao V- Toamasina: Fiara efatra sy trano enina kilan’ny afo

  • jeudi, 07 juin 2018 20:42
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Toamasina

Androany alakamisy 7 jona tamin’ny 05 ora maraina no nitrangan’ity haintrano goavana ity teo amin’ny « Gare routière » Tanambao V. Garazy iray fanamboarana fiara sy tranon-dopy (maison de passe) enina no kilan’ny afo tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo mpamonjy voina an’ny Kaominina ambonivohitr’i Toamasina.

Fiara efatra namboarina tao amin’ny garazy sy efitrano fandroana miisa 37 tamin’ireo tranon-dopy no may kila hotohoto nandritra izany.

Ao ny milaza fa ny tselatr’afo avy tamin’ity « transformateur » ny Jirama tamina andrin-jiro tao anatin’ny fefin’ity garazy no nipitika tamin’ny tafotrano no niteraka ny firehetana ; misy kosa anefa ireo miteny fa labozia adino tsy novonoina tamin’ny iray tamin’ireo trano fandriana ireo no niteraka ny loza.

Tapaka ny jiro amin’ireo ao amin’ny Fokontany Tanambao V vokatry ny fahamaizan’ilay « transformateur » ary hitohy izany mandra-panolo ny fitaovana may.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.