CISCO Mahajanga I: Hihemotra amin'ny fotoana tsy fantatra ny fanadinana “CEPE blanc”

  • mardi, 05 juin 2018 20:58
  • Britto

Noho ny fitokonana izay ataon'ireo mpampianatra eto Mahajanga dia nanao fanambarana ny tompon'andraikitra avy amin'ny CISCO Mahajanga I, fa tsy hisy ny fanadinana CEPE andrana, izay saika hatao ny 12 jona 2018 izao, ary tsy mbola fantatra ny daty hiemoran'izany noho ny fitokonan'ireo mpampianatra.

Mitaintaina ireo ray aman-dreny aty an-toerana vokatr'izany ary manahy ny mety haha-taona fotsy ity taom-pianarana ity raha mbola mitohy ny fahatapatapahan'ny fampianarana izay efa nanomboka tany amin'ny fotoanan'ny pesta.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.