Faha-58 taonan’ny fahaleovantena: Hanomboka ny alatsinainy 4 jona ny fananganana sainam-pirenena

  • lundi, 04 juin 2018 09:15
  • Britto

Ora iraisana, amin’ny 7 ora maraina ny alatsinainy 4 jona 2018, no hiara-hanangana sainam-pirenena ny isan-tokantrano, sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, biraom-panjakana, lapam-panjakana arahina fiara-miredona ny hiram-pirenena no hisantarana ny fankalazana ny Faha-58 taonan’ny fahaleovantem-pirenena sady fetin’ny foloalindahy rahateo.

Efa nosantarina tamin’ny “Podium” teny amin’ny Coliseum Antsonjombe-Antananarivo ny fankalazana tamin’ity 2018 ity.
“Fitiavan-tanindrazana sy filaminana antoky ny fampandrosoana ho fisandratran’i Madagasikara”, no lohahevitry ny fankalazana amin’ity taona ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.