Sambava: Mpamboly voanio voatsatoka lefona raha nifanjevo tamin’ny mpangalatra

  • lundi, 14 mai 2018 22:31
  • Britto

Ny sabotsy 12 mey 2018, tamin’ny iray ora maraina, no nisy dahalo roalahy niditra handroba tao amin’ny tanimbolin’ny Raim-pianakaviana iray tao Marojala Lokoho. Niaro ny fananany ilay Raim-pianakaviana ka raikitra ny fifanjevona, tamin’izay no voatsatoka lefona ny vatam-peny. Nitsoaka ireo olon-dratsy taorian’izay.

Mbola nentin’ny hafanam-po hatrany anefa ilay Raim-pianakaviana ka nitozo nanao fanarahan-dia. Tsy lasa lavitra dia tratra ny iray tamin’ny dahalo raha latsaka tao anaty heniheny fa ny iray tafatsoaka.

Efa natolotra ny Zandarimaria ao Farahalana ilay dahalo, ary ireto no nandefa azy tany amin’ny Fitsarana Antalaha androany 14 mey 2018, taorian’ny famotorana. Nidoboka am-ponja avy hatrany ilay dahalo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.