LTP Mahajanga: Mitohy ny fitokonana

  • lundi, 14 mai 2018 17:06
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Herinandro faha efatra nampikatso ny fampianarana teo anivon’ny LTP Mahajanga ity herinandro ity. Mbola mitohy ny fitokonana ataon’ireo mpianatra sy mpampianatra ary mpandraharaha.

Ny maraina teo, nisy ny fananganan-tsaina natao, ary nanambaran’ny mpitantana ny sekoly fa mitohy ny fampianarana ary miverina mianatra ny mpianatra rehetra, tsy nanaiky niditra ny efitrano fianarana anefa ireo mpianatra sy mpampianatra ka raikitra ny savorovoro.
Mbola mitana ny heviny sy ny fitakiana ataony izy ireo dia ny hialan’ ny talem-paritry ny fampianarana teknika sy ny proviseur-ny lisea eto Mahajanga.

Hatreto tsy mbola nisy fijerena ny vahaolana, na efa nisy aza ny tolo-kevitra nomen’ireo mpitokona, mangataka mpitantana vonjimaika izy ireo hampandehanana ny raharaha, fa raha mbola ireo mpitantana amin’izao no mitantana dia tsy handeha mihitsy ny fampianarana, raha ny fanazavan’ny solontenan’ny mpampianatra.

Tokony nanomboka androany ny “contrôle continu” na fanadinana faharoa raha ny tetiandro, saingy izao mbola tsy mandeha izao ny fampianarana.

Teny an-toerana ny EMMOREG nandamina ireo mpianatra izay saika nihoa-pefy. Nomarihin’ireto mpitokona ireto fa tsy misy ifandraisany amin’ny savorovoro politika misy eto amin’ny firenena ny raharahan’ny LTP. Safidin’ireo andiana mpianatra manokana no nanaraka ireo mpitolona notarihin’ny solombavambahoakan’ny fanovana fa tsy ampirisihin’ireo mpampianatra araka ny feo mandeha.

 

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.