KMF/CNOE: Tsy misy afa-tsy ny fifidianana ao anatin’ny fitoniana ihany no vahaolana

  • mardi, 24 avril 2018 19:17
  • Britto

Mitaky ny fampiharana ny lalàna amin’ireo tompon’antoka rehetra niteraka fandratrana sy ny famoizana ain’olona ny sabotsy 21 aprily 2018 teo ny KMF/CNOE.

Mitaky ny fifanatonan’ireo mpisehatra rehetra ara-pifidianana hifanakalo sy hifandinika ny ho amin’ny fanatsarana ireo lalam-pifidianana fototry ny disadisa ka hijerena izay hanatanterahana fifidianana azo itokisana sy hitondra filaminana ho an’ny firenena.

Ny KMF/CNOE dia mitaky ihany koa, araka ny fanambarana nataon’izy ireo, ny hampiharan’ny Mpitondra, ara-bakiteny, izay nambarany ny momba ny fisokafany amin’ny fifanatonana sy ny fifampidinihana ka tsy hangataka andro ary hanokatra sehatra amin’ny fanatanterahana izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.