Toamasina: Vita tao anaty hamehana ny tatitra nataon'ireo depiote mpanohitra

  • samedi, 14 avril 2018 21:05
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Toamasina

Tsy nomena tamin'ny ora farany ny Lapan'ny Tanàna voatondro hanaovan'ireo depiote mpanohitra avy ao Alaotra Mangoro, Analanjirofo ary Atsinanana tatitry ny fandaniana lalam-pifidianana teny amin'ny Antenimieram-pirenena.

Nosakanana ihany koa raha saika ho ao amin'ny Kianja Mitafo Soavita. Tao amin'ny hôtely Le Bateau Ivre no niafaran'ny dian'izy ireo, ka nisian'ny fihaonana nanaovana ny tatitra.

Ora iray teo no naharetany, ary nizotra tamim-pilaminana izany na hita soritra teny amin'ny endrik'ireo depiote sasany ihany aza ny ahiahy.

(Jereo sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.