Ambanja RN6: Mitokona ireo Mpitatitra

  • samedi, 14 avril 2018 11:04
  • Britto

Mitokona eo amin’ny “parcage” Bazar Kely Tsaramandroso ireo Mpitatitra manao zotra mianavaratra manaraka ny lalam-pirenena faha-6, mampitohy an’Ambanja amin’Ankify, Ambilobe ary Antsiranana izay ahitana kaoperativa miisa efatra. Sahirana ireo mpandeha manoloana izany.

Ahilikiliky ny Kaominina izahay, hoy izy ireo, manoloana ireo asa fanorenana ataon’olon-tsotra ato amin’ny faritry ny “parcage”. Misy ny sorabaventy arantin’ireo Mpitaritra mikasika izany.

Etsy ankilany dia voalaza fa misy tetikasan’ny Kaominina ho fanorenana “Gare routière” ao Mahavelogno, hamindrana ireo mpitatitra. Hanomboka amin’ny volana mey 2018 ny asa, ary kendrena hovitaina amin’ny volana oktobra 2018.

Milaza ireo mpitatitra fa tsy manda ny hifindra any, saingy aleo ho vita tokoa izany foto-drafitrasa izany vao miala eo Bazar Kely Tsaramandroso izy ireo. Fony Ben’ny Tanàna teo aloha, hoy ireo mpitatitra, no efa nandrenesana io tetikasa ao Mahavelogno nefa tsy mety vita hatramin’izao, ka aoka tsy hatao fampandriana adrisa hanilihana anay eto amin’ny parcage Tsaramandroso izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.