Antsirabe: Mitokona ny mpiasan'ny COTONA

  • mardi, 27 mars 2018 11:30
  • Britto
  • Sary nomena

Nitokona tsy nety nandray ny asany ireo mpiasan'ny COTONA misahana ny famokarana lamba io maraina io. Ireo tokony hiditra amin'ny 6 maraina ireo notokona ireo.

Efa elaela no nandrenesana fa misedra olana ary mety hiafara amin'ny fampiatoana mpiasa koa ity orinasa ity ka izao fa vaky ny resaka.

Ho an'ny orinasa dia voalaza fa olana amin'ny fidangan'ny Jirama sy ny hetra no olany.

Vokany dia tombontsoa marobe an'ny mpiasa no nofoanana ka vata-karama ihany sisa raisina.

Isan'ny fitakian'ny mpiasa araka izany ny hamerenana ireo tombontsoa ireo sy fanesorana ny vazaha misahana ny mahaolona ao an-toerana.

Andininy maro moa ny fitakiana natao an-taratasy, nomena ny Tale jeneraly ka ho hita eo izay valiny.

 

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.