Bekopaka: Voasambotra ilay zazalahy nahafaty ny zokiny androany maraina

  • lundi, 26 mars 2018 18:05
  • Britto

Voasambotry ny Fokonolona teny ampitan'ny reniranon’i Manambolo ilay zazalahy nanindrona antsy ka nahafaty avy hatrany ny zokiny androany maraina.

Nentin'ny Fokonolona namantana teny an-tananany teny Ambalakazaha ilay zazalahy, izay vao 16 taona monja.

Ho fisorohana ny mety ho fitsaram-bahoaka dia nandray andraikitra ny Zandary ka naka ary nampiditra azy avy hatrany eny amin’ny biraon'ny Brigadin’ny Zandarimariam-pirenena eto Bekopaka-Antsalova.

Marihina fa ity zazalahy namono nahafaty ny rahalahiny ity dia zandrim-badin'ilay rangahy izay maty notifirin’ny dahalo, niaraka tamin’ny zaza menavava teo an-trotroany, vao tsy ampy iray volana akory izay.

Namela tantara ratsy ho an'ny fianakaviana ny fiandohan'ity 2018 ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.