Sambava: Lehilahy iray nidoboka am-ponja, nanolana ny zana-badiny 10 taona

  • lundi, 12 mars 2018 18:58
  • Britto

Notazomina am-ponja vonjy maika rehefa natolotry ny Polisy teto Sambava ny Fampanoavana ao amin’ny Fitsarana Antalaha ny zoma 09 martsa 2018 ity Raim-pianakaviana iray, manambady mitondra vohoka valo volana izay monina eo Ampandrozonana Sambava, voampanga ho nanolana zaza tsy ampy taona.

Zaza taizan'izy mivady ilay ankizivavy 10 taona ka raha handeha hamonjy fianarana izy tamin’ny heriny androany dia nitaraina ho marary eo amin'ny fivaviany ka izay no nanaitra ny rahavavin-dreniny. Ity farany no nampandre ny reniny niteraka azy ary nitondra azy hotsaboina teny amin'ny Tobim-pahasalamana.

Nony tonga teny dia taitra ny reniny fa efa simba ity zaza ity. Zaza 08 taona, zandrin'ilay voaolana, izay miara-matory aminy no nilaza fa ny zokiko dia notsindriany "tonton" ary notereny tao ambany.

Nanamafy ny fitoriana ary nijoro vavolombelona ny vadin’ilay raim-pianakaviana.

Andrasana amin'ny zoma ho avy izao ny tohiny.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.