Vehivavy 8 martsa Toamasina: Nahatsiaro ireo vehivavy voafonja tao Ambalatavoahangy

  • dimanche, 11 mars 2018 21:54
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Toamasina

Noraisina ho toy ny fety lehibe ahatsiarovana ny vehivavy amin'ny lafiny maro ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy, teto Toamasina ka nahatsiarovan'ny Komity 8 martsa toy izay fanaonizy ireo isan-taona ny vehivavy izay voahazona tany am-ponja.

Iray amin'ny asa soa nataon'ity komity ity tao anatin'ny fankalazana ny 8 martsa izany, fa mbola nisy koa ny fanampiana izay nentin'izy ireo ho an'ireo vehivavy teny amin'ny hopitaly sy ny sahirana na teto Toamasina na koa tao Brickaville, izay nisy ny hetsika rejionaly momba ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy. Nisongadina tokoa ny fandraisan'andraikitry ny vehivavy sy ny fampitoviana lenta azy ireo na an-tanan-dehibe na koa any ambanivohitra.

Nitarika ireo vehivavy tonga nanolotra ny fanampiana avy amin'ny orinasa Ambatovy ny Vadin'ny senatera Benessy Harisson sy ny vadin'ny lehiben'ny faritra Atsinanana Talata Viviane, teo koa ny filoha lefitry ny komity 8 martsa sy ny solotena avy ao amin'ny prefektiora.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.