Jirama Toamasina: Mpanjifa 2.500 efa ela niandrasana ny anjara kaonteran-jirony

  • dimanche, 11 mars 2018 13:11
  • Britto

Misy efa hatramin’ny taona 2012, 2013, ary 2014 izy ireo no nanao famandriahana saingy tsy mbola tafiditra mandraka ankehitriny ny jirony. Nilaza ny Tale vaovaon’ny Jirama Toamasina, Toto Jean de Dieu, fa dia hanomboka ny alatsinainy 12 martsa ny fametahana ny kaonteran’ireo efa nanao famandriahana ka nahaloa vola. Kaonteran-jiro 20 isan’andro no hapetaka ary tsy hifarana raha tsy ny faran’ny volana jona 2018.

Nilaza i Toto Jean de Dieu fa hanamafy ny fanaraha-maso ny halatra herinaratra izay miteraka fatiantoaka ho an’ny Jirama satria ny 25% hatramin’ny 30%-n’ny herinaratra vokarin’ny Jirama hatreto dia fantatra fa lany amin’ny halatra avokoa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.