Korea avaratra: Hihaona i Donald Trump sy Kim Jong Un

  • dimanche, 11 mars 2018 09:30
  • Tigre
  • Sary Lemonde - AFP

Nampita hafatra tamin'ny alalan'ny Korea atsimo sy Chine i Kim Jong Un, filohan'ny Korea avaratra, amin'ny faniriany hihaona amin'i Donald Trumph Filoha amerikanina.

Araky ny mahazatra azy, tsy ela dia nanome ny valin-kafatra i Donald Trump ny zoma 09 marsa fa manaiky hihaona amin'i Kim Jong Un izy, saingy nametraka fepetra, dia ny anafohanana ny fihazonan'ny Korea avaratra baomba atomika, ary ny fahazoana manara-maso izany tsy misy fepetra.

Raha ny tombana dia hisy fihaonana amin'ny Korea avaratra sy Korea atsimo ny volana aprily, ka tombanana ho amin'ny volana mai izao ny an'i Trump sy Kim.

Efa an-taonany maro no nampisaraka an'i Korea avaratra, sy Korea atsimo ka antenain'ny maro fa dingana lehibe amin'ny fifampanantonana izao fihetsika izao, mba isian'ny fandriam-pahalemana tsy misy nokleary any amin'iny faridranomasina koreanina iny.

Pyongyang moa efa nandefa atileta nifaninana tamin'ny Jeux olympiques d'hiver tany Korea atsimo tamin'ny fiandohan'ny taona teo, izay nanamora ihany koa izany ny fifandraisana teo amin'ny roa tonta.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.