Fianarantsoa: Manomana ny fandalovany ny mpomba an'i Andry Rajoelina

  • dimanche, 11 mars 2018 09:10
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

Vory lanona teo amin'ny Espace Royal etsy Bateravola ireo mpanaradia ny mpitarika ny vina IEM na Initiative pour l'Emergence de Madagascar.

Nandrasan'ny mpomba azy hatramin'ny ora farany ka nanazavana ny zava-misy izany mpitarika ara-politika izany ny sabotsy 10 martsa, hoy ny mpanao gazety nanatri-maso.

Nambara tao anaty lanonana sy fiaraha-misakafo fa fifampiarahabana fahatrarana ny taom-baovao sy fanomanana ny fandalovan'ny filoha mitarika ny MAPAR no anton'ny havoriana io andron'ny sabotsy io.

Miandry izany vanim-potoana fihaonana eto Fianarantsoa izany ireo iray tarika arak'izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.