Fahasalamana: Vita ny fandidiana an'i Miorda

  • samedi, 10 mars 2018 14:58
  • Britto
  • Sary Gasypatriote

Tontosa tao amin'ny HJRA Ampefiloha ny alakamisy 8 martsa teo ny fandidiana an'i Rasoarinirina Fanomezantsoa Miorda, ilay zazavavy kely tratry ny fivontosana teo amin’ny loha. Salama tsara izy, hoy Rasoarinirina Claudia reniny fa mbola arahi-maso ny fahasalamany.

Zazavavikely vao iray volana nahaterahana i Miorda, teraka ny 28 janoary 2018 tao Ambodiangezoka Andapa. Tsy nitsaha-mitombo io fivontosana tamin'ny lohany io hatramin’ny nahaterahany.

Tsy voatsabo tany SAVA ny aretiny ka nakarina aty Antananarivo. Ny alahady 11 febroary 2018 no niala tao Sambava ny fiaramanidina nitondra azy mianaka hanaraka fitsaboana aty Antananarivo, ary nivantana tao amin'ny HJRA.

Misaotra ireo nitondra am-bavaka azy ny reniny sy ireo nanampy ara-bola.

 

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.