Fankalazana ny 8 marsa: Fialonkalofan'ny mpanao politika

  • vendredi, 09 mars 2018 18:26
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Nandritra ny fanomanana dia efa nolazaina hatrany fa tsy asiana loko politika ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ny Zon'ny vehivavy.

Nefa dia anisan'ny nibaribary nandritra ny diabe nataon'ireo vehivavy teto Mahajanga omaly ny propagandy. Nampiasaina indray teto ireo vehivavy nilanja sorabaventy sy sarin'ireo kandida amin’ny fifidianana ho avy.

Hita teny na antoko efa eo sy teo amin'ny fitondrana na ireo izay vao manam-pikasana hirotsaka hofidiana. Raikitra ny fifaninanana satria efa hita sahady ny hafanam-po amin'ireo mpanao politika.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.