Andapa: Fiara nitondra fikambanam-behivavy 08 martsa niharan-doza

  • jeudi, 08 mars 2018 18:12
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Sambava

Ny 07 martsa 2018 tokony tamin’ny 11 ora alina, raha ny fampitam-baovaovao avy teo anivon’ny Zandarimaria Andapa no nitranga ity loza ity. Fiara minibus Mazda nitondra ireo fikambanam-behivavy avy any Tsarabaria Vohémar izay nikasa hiazo an’Andapa hankalaza ny 08 marsa ho an’ny faritra SAVA no niharan-doza.

23 ny mpandeha tao anatiny ka lehilahy ny iray dia ny mpamily. Tsy nisy ny aina nafoy fa iray no tena naratra mafy ka nampidirina hopitaly.

Teo am-pidirana ny tetezana Ambahikarabo Andapa, tsy lavitra ny toerana misy fasan-drazana teo amin’ny tanàna no nitranga ity loza ity, izay tsy mbola fantatra ny tena antony nahatonga izany fa efa noraisin’ny Zandary ao Andapa an-tanana ny fanadihadiana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.