Andranomanelatra: Misy omby maty indray

  • jeudi, 08 mars 2018 15:52
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Maty tsikelikely ny ombin’ny orinasa Tiko AAA aty Andranomanelatra Antsirabe. Nisy ombivavy beronono maty indray androany marain’ny alakamisy 8 martsa, nefa vao omaly no nandorana ny iray maty tamin’ny alahady.

Efa nanomboka tsy nahazaka tena ity omby ity ny talata teo nahitan’ny mpiasa azy, dia izao namoy ny ainy izao.

Misy ombivavy Holstein iray mitondra vohoka enim-bolana ihany koa efa tsy mahazaka tena, ary tena ahiana ihany koa ny aminy amin’izao.

Velona ahiahy ireo mpiasa 70 ao amin’ny “ferme” manoloana ny zava-misy satria dia tandindombin’ny fahaverezan’asa izy ireo raha ho ripaka maty avokoa ireo ombivavy miisa 168 karakarain’izy ireo ao Andranomanelatra, vokatry ny fanaovan’ny Fanjakana fahirano ara-bakiteny ireo omby ireo.

 

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.