Mahajanga: Mankalaza ny 8 marsa

  • jeudi, 08 mars 2018 15:05
  • Tigre
  • Sary Gasypatriote Mahajanga)
Ho fanamarihana ny andro manerantany ho an'ny vehivavy, Vehivavy maherin'ny 5000, avy amin'ny fikambanana miisa 250 mivondrona amin'ny KB8M (Fikambanam-Behivavy 8 Marsa) eto Mahajanga no nitanjozotra nanao diabe namakivaky ny tanàna nanomboka teny amin'ny jaridaina Cayla ary nifarana teny amin'ny Complexe Sportif Ampisikina ny maraina teo.
Fikambanana ara-tsosialy sy ara-piharaha-monina ny ankamaroan'ireo nandray anjara, araka ny hita amin'ny sorabaventy lanjain'izy ireo amin'ny sary.
Ny KB8M notarihin'ny filohany ramatoa Miza Annie no nitarika ny lanonana notronin'ireo vadin'ny manampahefana sy manam-boninahitra avy eto amin'ny faritra Boeny ary ireo talem-paritry ny sampandraharaha samihafa.
Nisy ny fanompoam-pivavahana niraisam-pinoana niarahan'ny rehetra ary natolotra nandritra ny lanonana ihany koa ny amboara sy ny loka ho an'ireo mpandresy tamin'ny lalao ara-panatanjahantena baolina kitra sy basikety vehivavy.
 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.