08 marsa - Mahajanga: Hojerena manokana ireo reny tera-bao

  • mardi, 06 mars 2018 18:02
  • Britto

Hanamarika ny fankalazana ny Andron’ny vehivavy eto Mahajanga amin’ity taona ity ny fanolorana fanomezana ho an'ireo reny tera-bao sy ny zaza teraka manomboka ny segaondra voalohany ny andron’ny 08 marsa.

Ny fanamarinana avy amin'ny mpampivelona sy ny kaopia avy aminy Kaominina no enti-manamarina io fahaterahana io.

“Hifampitaona eny aminy Kianja 29 marsa eny amin’ny zaridaina Kayla ireo andriambavilanitra io andron’ny 08 marsa io, ary hanao diabe miazo ny Complexe Sportif Ampisikina, toerana hanaovana ny ivon'ny fankalazana sy hanaovana ny totorebika”, hoy i Mizza Anni, filohan'ny fikambanam-behivavy ny 08 marsa eto Mahajanga.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.