Doany Miarinarivo Efadahy manankasina Tsararano Mahajanga : Nesorina tamin'ny toerany ny Fahatelo

  • mardi, 06 mars 2018 17:53
  • Britto

Nampiantso mpanao gazety ireo taranaka avy any amin'ny Doany Betsioky, nanambara tamin'ny fomba ofisialy ny fanesorana an'i Hasindrazana Édouard tsy ho Fahatelo intsony ao amin'ny Doany Miarinarivo Efadahy Manankasina. Efa misy, raha araka ny fanazavana, ny olona voatendry ho solony.

Maro ireo fomban-drazana sy fandikan-dalàna nataon'ity farany ka izay no antony nanoloana azy, mba tsy hiteraka olana indray toy ny tamin'ny taon-dasa. Efa nanambara io fanesorana azy io ihany koa ny ampanjakaben'i Boeny Soamody ny sabotsy lasa teo saingy tsy nekeny izany ka izao nanaovan'ny delegasiona avy any Betsioky bemidina izao.

Mizotra amin'ny antsakany sy andavany ny fanompoana rehetra eny amin'ny Doany ary efa hiroso amin'ny fombafomba atao mialoha ny fanompoambe na Fitampoha atsy ho atsy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.