Fitsarana: Nametraka fangatahana didy fandravana ny Procureur Général nesorina tamin'ny toerany

  • mardi, 06 mars 2018 08:57
  • Njaka
  • Sary Gasypatriote

Nametraka fangatahana didy fandravana teny amin'ny fitsarana ireo mpisolovava ny Procureur Général près la Cour Suprême (PGCS) Ranary Robertson Rakotonavalona, izay nesorin'ny fitondrana tamin'ny toerany.

Milaza ireto farany fa dia mandika lalàna ny fitondram-panjakana sy ny mpitarika azy manoloana izao fanalana ny Procureur Général izao ary tokony ahazo fampiantoana amin’io fampiarana io didy io.

Natao izao fampidirana ny raharaha izao dia ny mba tsy hitsabahan’ny fahefana mpanantanteraka amin’ny fahefana izay mitsara hoy Ranary RAKOTOARISOA, izay mpisolo vava an’Andriamatoa Procureur Général près la Cour Suprême (PGCS).

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.