Manandriana: Lasan’ny dahalo ny ombin’i Manandafy Rakotonirina

  • mercredi, 14 février 2018 19:45
  • Britto

Nitrangana asan-dahalo tao amin’ny Fokontany Andriana Kaominina Ambohimahazo, Distrikan’i Manandriana, Faritra Amoron’i Mania ny alin’ny alatsinainy 12 febroary lasa teo. Very tamin’izany ny ombin’i Manandafy Rakotonirina, filoha nasionalin’ny antoko MFM sady mpanolontsain'ny filohan'ny Repoblika.

Miisa fito no lasan'ny dahalo ary tsy mbola misy tafaverina hatamin’izao.

Tsy nisy naratra na aina nafoy nandritra ity fanafihan-dahalo ity.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.