Ivato: Tonga eto an-tanindrazana i Andry Rajoelina

  • dimanche, 11 février 2018 18:00
  • Britto
  • Sary nindramina

Nigadona tetsy Ivato io atoandro ny alahady 11 febroary io ny Filohan'ny Tetezamita teo aloha Andry Rajoelina.

Nanambara moa izy tamin'izany fa misy ny fotoana anginana ary misy ny fotoana hitenenana, ka hanao valan-dresaka lehibe ho an'ny vahoaka Malagasy izy ny alahady 18 febroary ho avy izao amin'ny haino aman-jery, anambarany ny fahitany ny fiainam-pirenena ary indrindra ny vahaolana hitany ampandrosoana an'i Madagasikara.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.