Antsirabe: Vehivavy notetitetehana, avy eo nafatratra anaty gony miisa efatra

  • jeudi, 08 février 2018 16:12
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Nahitana fatim-behivavy voatetitetika teo Vatofotsy, aty ampidirana avaratra ny tanànan’Antsirabe renivohitry ny faritra Vakinankaratra. Notsinjarain’ireo mpamono tao anaty gony niisa efatra ny razana. Lehilahy iray avy niasa alina no nahita ny alika nanasavoritaka ny gony no nampandre ny Polisy ka rehefa nozahana dia hita fa vehivavy.

Efa eny amin'ny tranompatin’ny hopitaly atsimo ny razana amin'izao fotoana, miandry izay mety ho havany.

Nahitana fatim-behivavy voatetitetika toy io ihany koa teo amin'ilay toerana nahitana ny razana tamin'ny taon-dasa.
Mihorohoro tanteraka indray Antsirabe manoloana izao tranga izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.