Fianarantsoa: Lehilahy iray main'ny herinaratra 5000 Volts

  • mardi, 06 février 2018 19:37
  • Britto

Maty tsy tra-drano ny lehilahy 38 taona iray raha nisikotra manga tamin'ny vy ka nahakasika tariby mitondra herinaratra.

Teny Andranomalahelo eny amin'ny Fokontanin'i Rova no nitrangan'izany ny tolakandron'ity talata 6 febroary ity.

Nampikatso ny fikorian'ny famatsiana herinaratra izany tranga izany tao anaty minitra maro.

Nampiato ny fandefasana ny onjam-peo sy fahitalavitra mitoby eny an-toerana ihany koa izany nandritra io fotoana io.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.