Sambava: Mpamily kamiao nisy nidaroka teo ambavahady hidirana amin’ny tranony

  • dimanche, 04 février 2018 15:28
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Sambava

Tokony tamin’ny 10ora alina no namonjy ny tokan-tranony ity mpamily vao nanomboka niasa aty Sambava raha avy niasa mpitatitra entana avy any Toamasina-Antananarivo izy teo aloha.

"Efa teo ambavahady aho ka raha iny hanokatra ny vavahady iny dia nisy nanaporitsika big boss dia nanomboka tsy nahavita na inona na inona zaho ary dia nosaritin’izy ireo tamin’ny maizina", hoy Ramaroson Gino Bemamy raha nitantara ny nanjo azy.

Nitaky vola ireo dahalo telo lahy, ary rehefa nilaza fa tsy misy vola dia nototoin'ireo olon-dratsy vato ny lohany ka nitsirara tamin’ny tany.
Nendahin'ireo olon-dratsy hatramin'ny akanjony taorian'izay.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.