Fianarantsoa: Karohana i Jao Marinjara Stephan

  • dimanche, 04 février 2018 12:05
  • Britto

Nampita ny taratasy fikarohana an’ity tovolahy mpianatra eny amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa ity ny Commissariat eo Idanda ny andron’ny 2 febroary 2018.

Izy no tanan’ny mpitandro filaminana ho nahavanona ilay famonoana an’i Rakotoarimanana Alfred Yvon ny marain’ny sabotsy 27 janoary lasa teo.

Nampafantarina tao anatin’izany taratasim-panjakana izany ny momba ity mpianatra taona faharoa eo amin’ny sampana Lalana avy any Antalaha ity.

Ny Logement 101 Bâtiment D eny amin’ny cité universitaire Andrainjato no toerana nonenany farany.

Mitondra ny laharana karam-panondro : 710011047047 datin’ny 30 jiona 2012 tao Antalaha izy ary tsy hita hatamin’iny andro nisehoan’ny hatezeram-bahoaka io.

Manao sonia izany taratasy fikarohana izany ny CP Rasolondrazana Justin.

Miangavy ny olom-pirenena rehetra izay mahita na manana antontam-baovao momba ity olona karohana ity ny mpitandro filaminana eo amin'iny Commissariat Idanda arak'izany mba hiantso ny laharana 034 05 531 13.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.