Analavory RN1: Sprinter phase 3 nitsikasina teo afovoan'ny arabe, namono zaza iray

  • vendredi, 02 février 2018 22:39
  • Britto
  • Sary FB

Fiara mpitatitra manao zotra Tsiroanomandidy-Antananarivo, niala vao maraim-be tao an-drenivohitr'i Bongolava no niharan-doza nialoha ny hidirana an'Analavory, amin'ny lalam-pirenena voalohany androany vao maraina.

Nalaman'ny fotaka sy ranontany nentin'ny oram-be ny alin'ny alakamisy hifoha ny androany zoma ny arabe, ka io no tombanana ho nihavian'ny loza niampy ny fandehanana mafy.

Nitsikasina teo afovoan'ny arabe ilay fiara Sprinter phase 3, namono zazakely ary nandratra mpandeha maromaro tao anatiny.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.