Oniversiten'i Mahajanga: Izay tapaka dia tapaka

  • vendredi, 02 février 2018 22:21
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Nohamafisin'ireo delegasiona avy any Antananarivo ny fanapahankevitry ny solontenam-panjakana avy eto Mahajanga sy ny OMC hamahana ny olan'ny oniversite.

Tsy nisy niova fa ilay novakiana tao amin'ny Amphi ihany saingy nohamafisina fa tsy misy azo ifampiresahana intsony io hevitra notapahana io.

Foana ny fikambanan'ny mpianatra CCE sy ny BDEUM, hiroso amin'ny fanamboarana ireo bloc simba manomboka ny alatsinainy izao ary rehefa vita ny fanamboarana vao haverina amin'ny trano ny mpianatra saingy manaraka ny fandaminana amin'ny fitsinjarana izany.

Hisy fanalefahana ny sazy amin'ny CODIS kanefa mbola jerena arakaraka ny fitondra-tenan'ny mpianatra tsirairay izany.

Tsy afaka nitondra fanazavana intsony moa na ny ray aman-dreny na ireo mpianatra fa nihaino ireo fehinkevitra ireo ihany no nampidirana azy ireo tao anaty efitrano fivoriana, teny amin'ny Sunny Hôtel Amborovy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.