Zaza tsy ampy taona mivaro-tena: Teratany italiana iray voasambotra

  • vendredi, 02 février 2018 20:26
  • Britto
  • Tahirin-tsary Gasypatriote Mahajanga

Taorian'ny lahatsoratra nivoaka teto amin'ny Gasy Patriote mahakasika ny fisiana andiana zazavavy tsy ampy taona mivondrona amina fikambanana manao asa fivarotan-tena eto Mahajanga, dia nihetsika ireo tompon'andraikitra voakasik'izany nanamarina ny zavatra voalaza ; nidina ifotony nanao fanaraha-maso ny tena zava-misy.

Ny roa tamin'ireo ankizivavy no tratra teo ampanaovana ny asany ka noraisina an-tanana sy nanaovana fanadihadiana. Teratany italiana no voasambotra izay mpamatsy ny fanamiana anaovan'ireto ankizy ireto ary tanana eny amin'ny biraon'ny Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona.

Mbola mandeha ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity satria raha ny vinavina sy tombatombana dia tambazotra iray no ao ambadika.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.