ENSOA Antsirabe: Fankalazana roa sosona

  • jeudi, 01 février 2018 20:27
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Sady nankalaza ny andron’ny manamboninahitra lefitra, fanao isaky ny 01 febroary ny ENSOA Antsirabe androany alakamisy, no nanamarika ihany koa ny faha-55 taona niorenan’ity Sekolin’ny manamboninahitra lefitra ity.

Lava ny tantara satria efa nifindrafindra toerana sy niovaova anarana izy ity hatramin’ny taona 1963 niorenany vao tena nijanona teto Antsirabe.

Ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier moa no nisolotena ny filohan’ny Repoblika, notronin’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rasolofonirina Béni Xavier sy ny Minisitry ny filaminana anatiny Mamy Andrianisa ary ny lehiben’ny Etamazaoro.

Nialohavan'ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena isan-karazany, nifaninanan’ny miaramila sy ny sivily ny fanamarihana izao fankalazana izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.