Ampandriankilandy-Antsohihy: Raim-pianakaviana iray, 37 taona, matin’ny varatra teny an-tanimbary

  • jeudi, 01 février 2018 16:14
  • Britto

Ity raim-pianakaviana ity sy ny zanany lahy 12 taona no niara-niasa teny an-tanimbary. Niakatra an-tanety nialoka ny zanany rehefa nikotroka ny andro. Mbola nanohy ny asa ny rainy, no nirefotra tampoka ny varatra, ary niantefa taminy.

Potraka tsy nahatsiaro tena avy hatrany ilay rangahy.

Tazan’ny zanany ny nanjo an-drainy, ka nanantona sy niezaka namadibadika azy, avy eo niantso olona tany an-tanàna, izay tsy lavitra ny toerana niasan’izy mianaka.

Tsy nisy azo natao tamin’ilay raim-pianakaviana intsony, tamin’ny fotoana nahatongavan’ny Fokonolona.

Namela kamboty enina mianadahy izy. Vao tera-bao ny vadiny, no izao lasa mananontena tampoka izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.